You are here: home > Vetso

TIA TOKOA - MiséVonjy

Tia tokoa izany fo
nitia olona iray fa tsy roa
tsy nahalala ny avia sy avanana
fa tena jamba sy pahana

niezaka hiany no ho lehilahy
fa osa sy malemy ary tsy sahy
lay lehilahy sarika sy bikana
fa voatsiky dia nihanahana

tia tokoa mantsy ny fo
ka tsy nahay nampiandry andraso aloha
raha vao nokopahin'tanana
fa lasa tsy niambahamba aho ranamana

tia e!tia tokoa
nahita ilay anjely nambabo ny fo
ka tsofy rano aho
fa tena fitia ny ahy fa tsy lalao

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : MiséVonjy

Nampiditra : scour
Daty : 16/04/2018
Mpamangy : 251
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

raha sendra...
tsy sahy
mandrakizay
IANAO
Noro
RAKITRA
IZAHO ALOHA
TSY ILANA
NIFARANA
22 NOVAMBRA

Hametraka hevitra

Midira aloha