You are here: home > Vetso

TSY ILANA - MiséVonjy

Tsy ilana teny,
na koa hoe ambara,
ho ren’izao tontolo izao,

ilay nekena ho «eny»,
fa rakitra tantara,
natokana ho ahy sy ianao.

Tsy  ilana anjomara,
hanairana ny tany,
izay nifanolorana.

fa fitia efa anjara,
na dia nisy tomany
fa lamba hisalorana.


Saingy ...

hilako famatarana
fa amboaran’olo-tia
ny andro anio

ka etsy izany tanana,
meteza ka avia
ry Malala tadidio

tsy hatolotro ny peratra
ho hitan’ny tontolo
ho marim-pitiavana

fa fitia tsy hasiako fetra
na koa hoe ho bobongolo
no omeko Rahavana.

Mombamomba

Mpanoratra : MiséVonjy

Nampiditra : zavotany09
Daty : 24/02/2012
Mpamangy : 879
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

raha sendra...
tsy sahy
mandrakizay
TIA TOKOA
IANAO
Noro
RAKITRA
IZAHO ALOHA
NIFARANA
22 NOVAMBRA

Hametraka hevitra

Midira aloha