You are here: home > Vetso

tsy sahy - MiséVonjy

manahy tena tsy sahy
mangovitra mafy ry ray
ny amin'ny lalana ho aleha
fa sarotra sy mideza be

ka tena tsy sahy mandeha irery
fa tantano omeo hery
fa ianao lay  fiarovako sy tokiko ry Ray
ilay manda vatotoko mandrakizay

ka rehefa eo ianao
dia mety avokoa izay atao
ka raha ianao no manilo lalana
dia ho rava izay mibahana

koa ankiniko aminao re ny lalako ry Ray
fa raha tsy ianao tsy andingana aho na dia iray
fa tena tsy sahy
fa efa nandeha tsy nisy anao ka tena fahy

koa mianta aminao aho ry Ray
fa za misy anao tena sahy



Sokajy : Vavaka

Mombamomba

Mpanoratra : MiséVonjy

Nampiditra : scour
Daty : 12/05/2018
Mpamangy : 169
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

raha sendra...
mandrakizay
TIA TOKOA
IANAO
Noro
RAKITRA
IZAHO ALOHA
TSY ILANA
NIFARANA
22 NOVAMBRA

Hametraka hevitra

Midira aloha