VAO MARAINA (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa vao nifoha maraina dia ianao tao an-tsaiko
r’ilay tokana notiaviko, ‘lay tokana lalaiko
tsy anilako ho fihinina, an-tany lavitra any
miarina malaina aho, malaina aok’izany

Firy andro no hiandrasako, mety ho amam-bolana ve ?
fa hiarina maraina, ka tsy ho afaka handre
‘lay feonao mozikako, manafosafo ny fanahy
hifohazako malaina, hampavitrivitrika ahy


Ireto bodofotsy ‘zay fitafy, nampafana antsika
izaho irery no koboniny, hafanainy tsy hangatsiaka
mampatsiaro ireny lasa, nafeniny tsisy hahalala
tsiambara-telon’ny fitia, tehiriziny tsy miala.

Rehefa iny aho ny alina, mahatsiarotsiaro anao
te hamihina ilay vatana, notiaviko hatramin’izao
dia ito ondana iray, ilay lavalavan-tsika iny
no fihiniko mafy, ondana tsy manan-tsiny

Dia injao fa mitosaka, ilay fofona tahiry
dia ilay mena-bolonao, tsy mba fahita firy
no mampîakatra ny sento, sy ny embona matory
hanenika ny oroko, sy ilay foko oriory

Dia indro tazako ianao, anaty aizim-pito
mialoalo mampifoha, anaty fahanginana
mampisinda torimaso, toa miantso hoe ito
ny tanako raiso, ry malalako fihinina

fa dia izaho irery sisa, no indro mifoha maraina
valabalaka vizambizana, hanatontosa ny adidy
f’ilay fanaoko isa-maraina, d’ilay vavaka tsy sanday
saika adinoko raha tsy ny embona anao no namerina tadidy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
2382 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 02/09/2010 11:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147