VATO FEHIZORO (MiséVonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ito vato izay nipetrahana, fony nandalo teto isika
Valabalakin’ny dia, niato nitady fitsaharana
Dia indro mbola eo, tsy lasana, tavela toa vatofantsika
Hitahiry ny andro rehetra, ny andron’ireo mila namana

Isika koa mba isany, nanamarika ny fiainany
Nanamafy orina ihany koa, izato toerana nipetrahany
Saingy izaho irery sisa, indro mampatsiahy ny fisainany
F’ilay namako iny mantsy, efa dify lavitra zany làlany.

Tsaroako ‘lay vazivazy, nifanaovan-tsika ho dina
Fa tsy ho fasika ny fitia, ho mafy fototra fa vato
Ka eto ambonin’ito seza ito, no hafatotra ry tiana
Ny tadim-pitiavan-tsika, tsy hivaha tsy hiato

Fa ho vato fehizoro, hanorenana ny ho avy
Ito vato ito, hifanolorana ireo voady
Ka inona midona, tsy hamparary tsy hampanavy
Fa izato dina nifanaovana, no hampinga enti-miady

Fa dia izaho irery sisa, no indro mbola miverina
Mipetraka maminany, ireo andro izay nodiavina
Amin’ito vato mangatsiaka, toy ny vatom-pandevenana
Ireny lasan-tsika ireny, efa maty ka nalevina.
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Aingam-panahy
1047 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MiséVonjy
Nampiditra : zavotany09
Daty : 02/09/2010 12:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148