Ny fialako ety (Mpanajary Vaovao)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maro ny hitomany sy hijaly,
Raha tonga ilay fotoana.
Ho tambesarany akivina,
Fa nilaozan'ilay tia.

Toa nofinofin'izy ireo,
Ny fahitana ahy manoratra.
Toa tsaron'izy ireo,
Izaho mivavaka miankohoka.

Alahelo sisa no mikiky,
Ilay fony feno fitiavana.
Satria aho tsy hita intsony,
Fa efa vovoka any am-pasana.

Andriamanitro mba tahio,
Ireo avako mijaly.
Raha tonga ilay fotoana,
Ny fialako ety izany
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
835 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mpanajary Vaovao
Nampiditra : thonny1
Daty : 14/01/2016 20:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141