You are here: home > Vetso

MAHANTRA HONO AHO - Myh'Andry


Mahantra hono aho dia ailiky ny havana
Hambaniany ombieny, hakoraina koa hoe mavo
Hozoniny mihintsy tsy hahita fahombiazana
Fa raha sendra mba miakatra dia hatosiny ho lavo

Fa satria izaho mahantra sy mitafy rovi-damba
Lazainy mihintsy hoe maimbo, tsy tiany fa maloto
Rorainy raha mandalo, hidifiany vao hitranga
Lazainy mihintsy hoe tsy fantany fa olona hafa loko

Mahantra hono aho e, mahantra ka tsy tiany
Mihitsy aho zarany ho potraka, hilentika any an-davaka
Fa ny mahita ahy mijahy no masoandrom-pifaliany
Satria izaho mahantra, mahantra ka dia miavaka

Eny ekeko aho hoe mahantra, tsy manana harena
Tsy trano be hananako, tsy vola be analin-kisa
Fa kosa raha fitiavana, hinoako aho manana omena
Ary omeko tsy tambazana, atolotro ho antsika

Sokajy : Fiaraha-monina

Mombamomba

Mpanoratra : Myh'Andry


Nampiditra : MyhAndry
Daty : 26/10/2018
Mpamangy : 184
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

NISY TETO
KALOIKO MBA HO TSAPANY
INY RENIKO INY
Mafy
NY ORY TSY HAVAN'NY MANANA
AZA

Hevitra mandeha

Hatenaina (09/11/2018 09:32:41)

Tena marina ny anao,tafavoakanao ny tena tiako hambara fa efa niatrika zavatra ohatran'io mihitsy aho taloha , mamorona foana fa izaho mpamaky e!surtout hevitra ohatran'ireny.

Hametraka hevitra

Midira aloha