EMBONA (N.Fanantenana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EMBONA

Eee!Manirery izaho 'zany
Lasa embon'any ho any
Mahatsiaro ny tanàna
Ny fianakavina sy ny akama

Any zay 'lay Dadanay
Any koa i Mama zay
Ry zoky sy ry zandrikely
Zah kos'aty toa manirery!

Rehefa hariva toy izao
Dia vita sary an-tsailko ao
Ny zava-misy iainana any
Eee,Mampanembon'any zany!!!

I Mama zay mahandro vary
I zandry ndray mijery sary
I Dada ery matoritory
Rah'tsy zay dia ambony ankalambory
Mitantara blague sy angano
Dia kakakaka no ao antrano!

Ny sisa kosa milalao
Mety ho dômy zay no ao
Tsisy manaikuy ny hipòka
Dia io i Mbola fa vôkòka:
"Eeey,ny mpanao serivisy!!!
Vô tsa tong'ao ny pôlisy!"

Izaho kosa tena seul
Toa zary silak'olombel
Raha tsy eo ambony cahie&boky
Dia katroka mi-facebook

Lavitr'anareo rehetra
Ka manembona&manetsetra!!!

N.Fanantenana (23/09/17)
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina
1404 1
Mpakafy: Augustin.RSN
Hevitra mandeha
Augustin.RSN ( 30/09/2017 13:00)
Mahereza eee!
Courage foana2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : N.Fanantenana
Nampiditra : Augustin.RSN
Daty : 30/09/2017 12:53
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139