Namako sy RAHALAHIKO (N'Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Namako ianao, satria manan-karena
Manana atolotra, manana omena
Namako ianao, mahay manambitamby
Ny tsolotsolotrao, manana ny amby

Namako ianao, olona ambony
Ny fiarahana aminao, tony dia tony
sy tsara aro kosa. Ry mpanao fanjakàna
Namako ianao, ianao mahay lalàna

Namako ianao, fa olo-mihaja kosa
izay miaraka aminao, manjary tsy kanosa
Fa manana mpiahy. Namako ianao, mpitondra fivavahana
Tena olo-mendrika, tsongoim-bolo sy avahana

Namako ianao, satria madiotanana
Izay tianao rehetra, tsisy tsy azo ananana
Namako ianao, satria ianao ilaiko
Andry fiankinako, sy fototry ny aiko

Fa raha tsy izany kosa
raha olona osaosa
tsy manana hatao
dia tsy namako ianao
TSy namako ialahy!!!
Raha olona malemy, olona tsy sahy
raha olon-dratsiratsy
kelikely vatsy
raha tsy misy patsa
sy be mpandatsalatsa
raha toa ka olon'ory
dia tsy namako akory!!
raha olona kamboty
tsy afaka mioty
tsy manan-kambolena
fa vatana no harena
raha jiolahy
dia tsy namako ialahy.
Eny, raha fatritran'olona
Mpamadika ny Tolona
Ka mivaro-tena
sy fahavalom-pirenena
mandringa, kilemaina
entam-be tsy ilaina
dia tsy namako ialahy
tsy namako ialahy...


Kanefa kosa indray,
Amin'izay fotoana izay
TSy azoko holavina
Tsy mety avela hiafina
F'ISE ka Rahalahiko
Mpiray Rà amiko
Havako any ise e!!!
Rahalahiko ise

811014
--------
Rohy:
813 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012