Takarivan'Ivola (N'Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Chaque fleur s'évapore ainsi qu'un encensoir ;
Les sons et les parfums tournent dans l'air du soir ;
Valse mélancolique et langoureux vertige !" ( Ch. BAUDELAIRE)



Takarivam-bolan-tsinana, miavaka amin'ny hazavàny
Sy feo mambabo sofina, toa mozika manimanina
Sy emboka misoka manitra, mahasodoka ny hatsaràny...
Takariva mahajemby, dihy sy sangondim-panina.


Sy feo mambabo sofina, mozika manimanina
antsiva sa jorery, angely sa lokanga, sy kasokaso-dravina
Takariva mahajemby: dihy sy sangodim-panina
Ka ny fofom-bony, hariva, kanto fa tsy azo lavina

Ny fofom-bony hariva, kanto fa tsy azo lavina
Misintona ny orona, mameno koa ny tratra, hanitra matsiro
Antsiva sa jorery, angely sa lokanga, sy kasokaso-dravina
Mozika fanaperana, sy hazavàna tsara jiro

Mozika fanaperana, sy hazavàna miavaka amin'ny karazan-jiro
Taratry ny haizina, taratry ny aloka, fanjopiaky ny rahona sy volana
Toa misintona ny orona, mameno koa ny tratra, hanitra sy tsiro
Entin'ny alina manatona, voaly azo isalorana

Taratry ny aizina, taratry ny aloka, hala-pierin'ny rahona sy volana
Sy fofo-manitra matsiro, mahasodoka ny hatsaràny
Entin'ny alina manatona, voaly azo isalorana

Takariva mahajemby, dihy sy sangondim-panina
Takarivam-bolan-tsinana, miavaka amin'ny hazavàny
Sy ny feo mambabo sofina, toa mozika manimanina

IVOLA, 31.12.82 Maizim-bava vilàny
--------
Rohy:
Sokajy : Tontolo iainana - embona
941 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098