Tanindrazako mahantra, paradisan'ny fitiavako (ROVA) (N'Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
folo taona maro no tsy nahitako anao ry Taniko
ka be ny banga sy ny hanina, amin'ny tsiron-java-mamiko
fa vao nigadona kanefa, dia akory ny hafaliako
fa io nitsena sy nandray, ilay hany olon-tiako

Hitako ny fahantrana, sy ny aretina, sy loto
tsapako ny fiezahana, ny fiaretana sy zoto
fa ny nahamarika ahy, ary tena nahavariana
dia ny andro vitsy loatra, nisakambinan'olon-tiana

Raha miendri-paradisa ianao, sy tsy foy ry Gasikara
tsy nohon'ny torapasikao ihany, sy ny sisam-boary tsara
fa misy ilay malalako any, vatosoa tehirizinao
Izy no tsy foiko indrindra, nahamalaina ahy handao

Mbola hiverina aminao aho, hoy ny foko mivoady
any izao ilay tiako iny, ilay silako sy fofombady
dia manantena sy maniry fa handroso ianao sy hivoatra
Ô ry Taniko mivavaka aho, ity kapoaka sao mangidy loatra
--------
Rohy:
983 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102