You are here: home > Vetso

Tsodrano ny mbola tia - Nalaina ANDRIAMBOLA

Mafy tamiko ny nandaozanao ahy
Nefa tsy maninona fa ho zakaiko
Sahinao ny nandao ahy
Nefa atao ahoana fa izay ny sitrakao


Ka tsodrano sisa no omeko anao
Na dia mbola tia aza aho
Fa ity foko noratranao
Dia mitomany anao isan'andro


Tsy foiko ianao nefa nandao
Nahita an'ilay rafiko;
Ka nafindranao ny fitiavanao
Ka nomenao an'ilay rafilahiko


Tsy ho afeniko anao anefa;
Fa mbola tiako ianao
Nefa ianao dia sahy nandao
Ka mirary soa ho anao aho


Ny mba iriako aminao
Dia mba ho feno fahasambarana ny anareo;
Fa avelao aho amin'izao
Na dia mbola tia aza aho,ka mitsodrano anareo

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Nalaina ANDRIAMBOLA


Nampiditra : nalaina.andriambola
Daty : 03/11/2017
Mpamangy : 150
Mankafy : 2
Ankafizo

Tononkalo hafa

Ialaha iny...
Izy ilay voaloham-pitia N
Tiako ianao

Hametraka hevitra

Midira aloha