-manina- (Nali)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-MANINA-

Torotoro indray ny fo
Malahelo ny any aminy
Manimanina aho izany
Vetsovetso ts'hita laniny

Any izay tanàna izay
Toa tananan-torimaso
Injany fiara indraindray
Zary sompatra sy ankaso

Tiako loatra lahy ianao
R'ilay tanàna mangingina
Tiako izato anaranao
Toa miantsy mpivahiny

Torotoro indray ny fo
Malahelo ny any aminy
Malahelo indray ty zaho
Te hitsidika ny akaniny

Vetso toa mivetso indray
Ilay voronkely ambon'ny tafony
Mikalo toa mikalo indray
Ilay fo mamindro amoron'afony....
Fahatsiarovana ilay tanàna iray izay nilaozako tao Italie (Seviglia)
Le 5 Octobre 2004
Nali
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Hanina
2099 1
Mpakafy: nalison1000
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146