You are here: home > Vetso

--- Ry zandriko--- Ho an'ilay zandriko nody mandry fito taona monja - Nali

Azo vakiana?

--- Ry zandriko---  

Raha   ho alina ny andro ka tsy hisy fiafaràny
Nofinofy ihany   izany
F'ilay zandriko tsy foiko,mamy indrindra teto an-tany
No   nanadao   ity akany.....

Raha   ho ritra ,tsy   hisy   intsony aza izato ranomasoko
Izaho tsy maintsy mitomany...
Fa ny hanina azy izay,toa   mitambatra   ho ankasoko
Tsy ho ritra,tsy ho lany

Na dia   fito taona monja no mba niainanao ry zandry
Ampy,hono,izany
K'ilay vatanao farofy no nasaiNY nody mandry
Tsy anjaranao ny tany

                      Hoy i zokinao malalanao
                     Nali    12h       30 mn
Jeudi 30   Juin 2005

Tsy azo   adika na alain-tahaka raha tsy misy   alalana avy amin'ny mpanoratra
OMDA

Hevitra mandeha

fiaritiana (01/06/2006 22:49:55)

Tsy misy tenenina aky ry Nali fa dé mahereza hatrany a!zany moa ny fiainana ka aza mitsahatra ny mivavaka

fiaritiana (01/06/2006 22:49:59)

Tsy misy tenenina aky ry Nali fa dé mahereza hatrany a!zany moa ny fiainana ka aza mitsahatra ny mivavaka

nalison1000 (03/06/2006 14:02:20)

Misaotra betsaka amin'ny fampaherezana. Tsy misy mampahery aza moa mahery toy izay misy anareo! misaotra tompoko

tisera (10/06/2006 18:57:33)

mahereza nali fa izay ny lahatra a! Dia tsara be ilay tononkalonao , tena hahitana taratra ny mahazava-dehibe ny iray tampo

Hametraka hevitra

Midira aloha