--------- RY ZANDRIKO ---------- (Nali)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
--- Ry zandriko---

Raha ho alina ny andro ka tsy hisy fiafaràny
Nofinofy ihany izany
F'ilay zandriko tsy foiko,mamy indrindra teto an-tany
No nanadao ity akany.....


Raha ho ritra ,tsy hisy intsony aza izato ranomasoko
Izaho tsy maintsy mitomany...
Fa ny hanina azy izay,toa mitambatra ho ankasoko
Tsy ho ritra,tsy ho lany


Na dia fito taona monja no mba niainanao ry zandry
Ampy,hono,izany
K'ilay vatanao farofy no nasaiNY nody mandry
Tsy anjaranao ny tany

Hoy i zokinao malalanao
Nali 12h 30 mn
Jeudi 30 Juin 2005

Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy misy alalana avy amin'ny mpanoratra
OMDA


http://nali@freenet.mg
--------
Rohy:
1818 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104