2018 (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
2018

hifarana amin'izay izany
ity taona ity
izay nangidy sy mamy
nampisaraka, nampifankatia

ilay taona izay lazaina
fa hoe taona ratsy indrindra
maro be ireo nitaraina
ka hoe hanova famindra

amin'ny 12ora alina
ho tapitra amin'izay
hanaovam-beloma sasakalina
hitsenana taona vaovao indray

betsaka ireo tsy matory
fa miandry ilay taona vao
maro anefa ireo ory
sy tsy mahita izay hatao

ho lasa izay ianao ry taona
ka hisolo vaovao indray
betsaka anefa ny misahoana
tamin'ity taona iray
--------
Rohy:
Sokajy : Taona, vaovao
881 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143