You are here: home > Vetso

Afom-pitiavana - Nalison Randrianaivo

Afom-pitiavana

Na dia firifiry taona, aza no nisarahana
Dia toa ianao foana, re no mibahana
Efa niezaka ery, ny hanadino anao
Saingy indrisy akia, tsy mety miala ao
Ilay fitiavako anao, hatramin'izay
Toa tsy mety mankalao, ny fo sy fanahy

Efa nandalo teo, ny tafiotra sy tadio
Fa tsy nampitoreo, tsy nahafaty anio
Afom-pitiavana, fa vao maika mafonja
Tsy maty re rahavana, na nandalovan'ny onja
Tsy nety levona, ilay afom-pitiavako
Fa vao maika natevina, anie rahavako

Fa miroborobo mafy, niredareda ery
Ilay afo tao anaty, afon'ny fitia
Toa milelalela be, manakatra avo
Ilay afom-pitia re, ravo dia ravo
Fa tsy mety ho loa, tsy mety ho potika
Fa mirehitra tokoa, tsy mety rotika

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

naje (29/05/2018 10:23:28)

mahafinaritra fa tohizo e!tsika tanora mihintsy no mila manandratra ny kolontsaina tsika

nalsonrazakariasa2015 (29/05/2018 20:12:16)

Misaotra indrindra eee

Hametraka hevitra

Midira aloha