Ala-nenina (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ala-nenina

Na lavitra aza no misy anao any
Ekeko na dia tsy hitako aza izany
Fa anio aho tsy maintsy tonga any
Mba hifona sy hitalaho farany aho
Mba hiangavy raha mbola azo atao
Omeo iray minitra fa mbola tia anao

Tsy ahoako intsony ny ali-mangina
Tsy ahoako akory izay ho farariana
Tsy rehiko akory izany fangirifiriana
Ary tsisy izay hahasakana ahy izany
Fa ny faniriako dia tokana hatrany
Tsy maintsy hahita anao aho androany

Na jiolahy hanakana na koa bibidia
Tsy ataoko hampiemotra ahy satria
Ny foko anatiko ao tena mbola tia
Miredareda loatra ilay afon'ny foko
Tsy mety maty na sanatria niova loko
Fa mbola ianao ihany no ao am-poko

Hitady anao aho tsy hiandry maraina
Tena tsy zakako foana ny mitaitaina
Fa ianao foana no mby ao an-tsaina
Raha sanatria isika tsy ka tafahoana
Tsarovy aho ry tiako fa mbola hiaona
Efa niala nenina fa saingy atao ahoana
--------
Rohy:
1250 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159