Alahelo anao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Alahelo anao

Lasa tsy himpody intsony
Ilay malalako tena tiako
Nalain'ny Ray ao ambony
Ka tsy mahatsapa ny fijaliako

Tsy mety mionona ny fo
Tsy mety mino ny saina
Saingy atao ahoana moa
Lasa izy ilay nantenaina

Maratra mafy ny foko
Toa tsy ho tantiko izany
Zary sento sy toloko
Ranomaso sy tomany

Izay sisa no fiainako
Andaniko ny andro sisa
Fa ilay hany fitarainako
Intsony tsy ho hita

Tsy mety afaka ny fery
Raha sendra mahatsiahy
Satria dia izy irery
No tiako sy tia ahy

Efa natokako ho azy
Ny androko rehetra
Saingy izy lasa sahady
Nandao tsy hitoetra

Marary ahy izany
Satria isan'andro izao
Dia mirotsaka tomany
Malahelo anao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2184 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159