You are here: home > Vetso

Alahelo sy tomany - Nalsonrandrianaivo

Alahelo sy tomany

Ny masoko bongo sy mena, Manganohano tomany
Toa miondrika raha jerena, Mandinika lava ny tany
Manontany tena hoe nahoana, Mila hitroatra indraindray
Hoe rahoviana vao hiaona, Sy hifankahita izahay

Fendrofendro sy malahelo, Mahatsiaro fa hoe tokana irery
Mitsiahy ireo tsiambaran-telo, Tsy mety ho hadino velively
Mamisavisa ireo kinasa natao, Lasalasa saina any ho any
Mahatsiaro lava ilay endrikao, Izay tokana tsy roa aman-tany

Vonton'alahelo sy tomany, Ity foko izay mbola tia
Mahatsiaro anao lavitra any, Ilay fitiavako anao ho doria
Ka asa raha azo veroka, Raha mbola tia ve ianao any
Fa ny fiaianako mahatsiaro lesoka, Banga anao ilay tokana an-tany

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha