You are here: home > Vetso

Anatr'i Neny - Nalison Randrianaivo

Anatr'i Neny

Mifona aho ry neny fa nandika anao
Tsy mba nandray izay mba anatrao
Hay ka fitiavanao ahy tokoa ireny
Izao aho ity vao manenina ry neny

Raha mba nihaino anao aho mantsy
Angamba tsy toy izao tokoa no nifafy
Indrisy tara loatra ny fahatongavan-tsaiko
Fa efa mikiky ahy mantsy ny aiko

Simba ilay bika aman'endrika ananako
Tsy afa-mihetsika ny tongotro sy tanako
Marary ahy ny lamosiko marina
Te hitsangana aho fa tsy tafarina

Indrisy, Indrisy ry fiainana an-tany
Hay ianao ka masiaka be tahak'izao
Raha nampoiziko mantsy fa handalo ihany
Dia naleoko mihitsy tsy nahalala anao

Saingy izaho no maditra sy saro-tenenina
Tsy mba nihaino an'i dada sy neny
Izaho aho ity kepohany nenina
Marary mafy hila tsy hahateny

Ny hafatro ho anao tanora toa ahy
Hajao re e, henoy re izy ireny e
Raha mbola velona ka afa-miteny
Fa ny nenina tsy aloha fa ao afara
Dia hoy aho hoe mba hendre tsara

Hametraka hevitra

Midira aloha