Anjely (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anjely

tsara tefy, tsara rindra
tsara lahatra indrindra
tsara petrapetraka daholo
ny vatany iray manontolo

tsara bika sy ny ranjo
sy maontina fiakanjo
tsara todika tsara jery
izay miendrika anjely

tsara voatra, tsara joro
ny hakantony jorojoro
tsara angola sy endrika
izay kanto tena mendrika

tsara orona sy vava
indrindra mahagaga
tsara tanana sy tongotra
indrindra ireo molotra

tsara ny maso sy ny sofiny
ny takolaka manginy fotsiny
tsara volo sy malama
indrindra mahatamana
--------
Rohy:
Sokajy : tsara - Fitiavana
953 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161