You are here: home > Vetso

Ankiniko aminao - nalsonrazakariasa

Ankiniko aminao

Ray ô! Arovy amin'ny ratsy
izay mitady hamingana anay
satria ianao mantsy
ilay tompo tia anay

Ray ô! Arovy amin'ny fankam-panahy
mba tsy voasarika ho any
mba hahay hanaja sy ho sahy
sy hijoro hatrany hatrany

Ray ô! Arovy amin'ny fahavalo
izay tsy kely lalana tokoa
izay mitady hampimalo
asa ratsy fa tsy soa

Ray ô! Ankiniko aminao
izay fikasanay rehetra
mba hahay hitia tsy ho lao
ka fitia tsy misy fetra

Ray ô! Izany no vavakay
angatahinay aminao
mba harovinao izahay
amin'ny lalan-tsara alehanao

Sokajy : Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha