Any ianao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ianao

any ianao ry tiako
any lavitra any
toa nanjary fahoriako
ny tsy alinao izany

any ianao ry tokako
any lavitra ahy any
ny sarinao no mba horoako
izaho manina ka mievina hatrany

any ianao ry tsy foiko
mievina foana aho aty
mahatsiaro mitoloko
mahatsiaro ilay fitia

any ianao ry malala
ilay tiako toy ny siny
izay nahalasa adala
tsy ifanomezan-tsiny
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2414 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157