Any ianao ry tiako (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ianao ry tiako

Any ianao ry tiako
Ilay tokana aman-tany
Nanjary fijaliako
Nandrotsa-tomany
Ilay endrikao tsy tazana
Ilay tsikinao rahavana
Dia tsy hitako banjinina
Tsy hita ho fihinina

Any ianao ry tiako
Ilay mamiko indrindra
Ilay toky nofidiko
Iray tsy afindra
Nievona aho matetika
Mahatsiaro ahy ianao
Iny masoandro milentika
Hatsiarovako anao

Any ianao ry tiako
Ilay hany fifaliako
Tsy sary fa tena izy
Mahatonga ahy tsy kivy
Fa izaho matokia anao
Fa ho avy anilako ianao
Ilay tiako fahasambarana
Ilay tiako fiadanana

Any ianao ry tiako
Ilay mamy tsy hadinoiko
Hany mba faniriako
Ianao ampofoiko
Ianao nefa tsy eo
Nanjary nitoreo
Ity foko tsy reraka
Miandry tsy sasatra
Izay lasanao tanteraka
Ary tena raraka
Miverinà akia ry tiako
Eto anilako ianao
Fa ireo fahoriako
Hisinda toy izay
Rehefa anilako ianao
Hitia ahy indray
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2048 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0226