Ataovy ho fahatsiarovana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ataovy ho fahatsiarovana

Malala a
Malahelo aho
Malahelo anao
Handeha tokoa ianao
Tsy ho tazako intsony
Koa raha mba sitrakao
Ilay sarinao hajanony
Hajanony aty amiko
Fa tiako sady mamiko
Sy ataoko fahatsiarovana
Hatsiarovako anao
Ataoko fanembonana
Rehefa malahelo anao

Iny re ry tiako a
Dia tehirizo tsara
Fa iny no nofidiko
Sy mba hitako fa tsara
Ka rehefa mahatsiaro
Mahatsiaro ahy ianao
Aoka re mba tsy hifangaro
Amin'ireo sary tianao
Fa iny hafa mihintsy
Toa vita hosodoko
Fa hampitsikitsiky...anao
Hanala ireo toloko
Raha sendra fahoriana
Ka tojo hakiviana
Dia iny aza ariana
Fa fanomezan'olon-tiana

Ary tandremo ndrao very
Tandremo ndrao ho lena
Satria dia iny irery
No azonao jerena
Ireo endriko amam-bika
Ilay tianao indrindra
Ilay tsikiko sariaka
Ilay tsy foinao afindra
Dia amin'iny sary iny ihany
Ho hahitanao izany
Ka ataovy ho fahatsiarovana
Ataovy ho fanembonana
Ka raha toa ianao mino
Fa mbola hitohy ilay firahana
Dia iny re fihino
Ary ataovy mibahana
Fa tiako foana ianao
Koa veloma no atao
Fa mbola hiverina aho
Ho avy anilanao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1019 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116