Atsaharo (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atsaharo

Saino...
Malala a
Nahoana ianao no manao toy izao
Moa ve mba fantatrao? Sa
Inianao tsy ho fantatra koa
Fa fahotana ity ataonao
Fa tsy hivakianao loha?

Impiry moa izay, efa niteny aho
Fa ianao no tsy nandray
Tsy mba nihaino ahy akory
Na dia iray minitra fotsiny aza
Fa maika ery halana zaza

Ny tsy mba nosaininao kely
Dia ity! Ny aoriana any
Ahoana ny hiafarany?
Olombelona anie ireny
Ianao tsy maintsy ho reny

Mba milamina ve ny sainao?
Mandry ve ny eritreritrao?
Namono olona ianao tsarovy
Ka ho avy aminao ny tody

Ianao tsy hay tenenina
Efa impiry averimberina! Fa
Haterao ny zaza ho velomiko
Fa zanako ary dimbiko

Tsy indray tsy indro, dia atao
Efa maro tokoa, tsy fay ianao
Ka mialatsiny indrindra re
Fa aleo aho handeha

Tsy mba olona ianao fa biby
Fa ny fonao ve efa mihidy? Sa
Inona no tinao ahatongavana
Tsy mba olona manam-pitiavana

Aleo dia ho faranana ny antsika
Satria dia efa hiaraha-mahita
Fa tsy mba fo mitempo ny anao
Fa vato, koa veloma ianao

Hafatra...
Ry tanora isika be faniriana
Tia lamaody sy tia fivoarana
Te haharaka izay tiana ho vidiana
Hany ka ny zaza no hanamparana

Feheny...
Nomena ianao fa tsy nandray
Nahazo ianao fa tsy nikarakara
Andriamanitra nanome roa na iray
Fa ianao kosa no namararara

Ka aza taitra raha tsy mahazo intsony
Fa tezitra Andriamanitra aminao
Na ho aiza aza ianao tsy hisy intsony
Ka dia Atsaharo raha mbola tinao

Nalison Randrianaivo
--------
Rohy:
2766 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132