Avelao aho hitia anao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avelao aho hitia anao

raha misy toerana ihany ao
hitoeran'ity foko
na dia sisitsisiny ihany aza
ao am-ponao ao
raha mba azonao atao
fa ity foko mitokoko
mitady ilay sahaza
ka avelao aho hitia anao

raha misy ihany ny fitiavanao
na kely fotsiny ihany aza
no mitempo fitiavana ahy
ao anatin'ny fonao
aleo mba hiorina ao
hitoerany, izay sahaza
izay mba fonao ho ahy
avelao aho mba hitia anao

raha misy ihany fanirinao
ka tsy sahy ianao, matahotra
ny hilaza sy hamboraka
izay ao am-ponao
avelao mba ho izaho
no hilaza tsy miahotra
ny teny izay ho atoraka
hoe tena tiako ianao

koa avelao aho mba hitia
fa aza lavinao izany
ny faniriko dia doria
ny hiaraka aminao
tsy kilalao sanatria
fa ho fitiavana mamy
ho tsapanao izany
avelao aho hitia anao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1159 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155