Aza avela hangaina (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza avela hangaina

aza avela hangaina
ireo lasa nampitaraina
fa mitrakà, mijoroa hatrany
aza avela handresy izany
fa foazy ny fo, mba tsy halaina
aza miferin'aina, milaindaina

fa resinao foana io
ka izao aloha no tadidio
banjino ny anio
aza avela hangaina fotsiny
ireo tanjonao taloha
fa sokiro atrany ifotony
mba ho tratra soa

aza avela hangaina
na masoandro be migaingaina
fa mahaiza mamonjy maloka
mba tsy hahitanao ilay aloka
fa hisokatra ho anao
ilay tanjonao vaovao

aza avela hangaina
aza avela hitaraina
hoe resin'ny fiainana ianao
ka mitady hamoy fo
fa atrakao re ny loha
fa ho tafita foana ianao
--------
Rohy:
940 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113