Aza manadino (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza manadino

Any ianao ry tiako
Any ianao ry malalako
Any lavitra any
Tsy hitako tazanina
No ny elanelan-tany
Lavitra mahafanina

Any ianao ry tsy foiko
Asa raha mahatsiaro ahy
Asa nanadino ny fisiako?
Ianao ry olon-tiako

Asa mbola tia ahy ve?
Sa minia tsy mahatsiaro
Ireo fiarahana hatr'izay
Sy ireo zava-bitanay
Dia ho zava-poana?
Sa ho very fotoana?

Aza adino izao malala a
Ireo dina nataon-tsika
Ireo veli-rano nifanaovana
Aza avela re hangatsika
Fa ireny no fitaovana
Sy vavolom-belona
Izay inoako fa hamelona

Aza manadino ireo ianao
Fa ireo no porofo
Ny fitiavako sy ny anao
Fitiavana tsy miofo
Aza manadino ny fisiako
Aza manadino ny anarako
Fa ianao ilay olon-tiako
Tiako hitantana ny tanako
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1515 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154