Babonao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Babonao

Nolalovanao vetivety, Indray niserana monja
Ity masoko nitopy, Ny foko nanonja
Nanomboka teo aho, Dia nitempo anao
Mahavariana loatra ahy, Ilay tsiky kelinao

Toa satriko ho hita foana, Iny endrikao iny
Ka maniry aho mba hiaona, Aminao ankehintriny
Toa vonin-kazo voakarakara, Mamelana ery
Ity fitiavako ry malala, Ka atolotro ho an'indry

Babonao sahady, Ity foko kely ity
Toy ny misy tady, Miantoka avy amin'indry
Ka nisintona an'ity foko, Tsy nanam-po akory
Nampisinda ireo toloko, Nampiarina ny matory

Babonao aho ry tiana, Babonao tanteraka aho
Fa ireo andro fijaliana, Niova vao nahita anao
Asa raha mba tsapanao, Miantefa any ho any
Fa ny foko anie babonao, Babonao irery ihany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1865 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153