Coup de foudre (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Coup de foudre

Toy ny tselaram-baratra ny foko, Raha vao iny ianao nisoko
Avy dia voasarika avy hatrany, Te hananontana sy hanontany
Avy eo anefa lasa tia anao sahady, Ity foko kely vao nandady
Nefa ianao aza tsy fantatro akory, Angamba fitiavana nifoha tory

Nidobodoboka mafy ny fo, Tora-tsemboka hatrany an-doha
Eny fa hatrany am-paladia, Raha vao iny ka nahita an'indry
Toa nitroatra mafy tsy tana, Hamihana anao aho mazĂ na
Hanoroko mamy ny molotrao, Toa tratran'ny coup de foudre aho

Toa satry hijery anao foana, Handinika anao maharitra
Isa-minitra, isa-tsegondra, Mientam-pitia sy finaritra
Tsindrin-daona mafy tokoa, Maniry ho eo anilanao
Manantena ny fiarahan-tsika roa, Fa tena tiako ianao
Ka indro ary fa tsy aritro intsony, Fa mibosesika mafy izy ato
Ka indro fa tsy tazoko ho tony, Fa mitempo tsy mety miato

Tena raikim-pitia tanteraka, Aminao aho ry olona iny
Ka mitsanga-mandeha mipetraka, Mahatsiaro anao ankehintriny
Tsy mety manadino anao, Ilay endrikao sy bikanao
Tsy haiko ny tsy hitia anao, Angamba voan'ny coup de foudre aho
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
886 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0192