Efa ahy ianao (tohiny...) (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa ahy ianao

Mahery: Ary nankaiza marina i Rova e? Izy roa vavy namany irony efa ho dify nefa izy ity tsy hita hoe aiza na hoe nankaiza?
Sa ho anontaniako amin'izy roa vavy ihany, nefa anie izy roa vavy ireny efa ny lohany sisa no hita koa, aleo rangaha enjehina ry zareo dia anontaniako izay nomban'i Rova sy izay nalehany a, kanefa toa tsy sahiko ny hiresaka sy hifanatritava amin'izy ireo koa, an an an ka, tapaka ny hevitro fa hanenjika azy roa fa izay lalany any lalany
Mahery: hey, Izy roa vavy a, mba andraso kely hoe azafady, manao ahoana ianareo
(mangovitra ny lelany vahotra ny vavany saika tsy nahaloam-poe no henatra sy tahotra), Naman'i Rova moa nareo? Raha tsy mahadiso dia aiza kay izy? Efa ela mantsy aho no niandry azy tany an-trano nefa mbola tsy tonga any foana izy.
Ravaka: Salama e, ie namany tokoa izahay,oatrany hoe misy alehany hono koa, dia tsy aiko hoe aiza?
Mahery: Izany ve, i Mahery aloha ny anarako e, zokin'i Rova aho, Izany hoe izaho sy i Rova ihany no zanak'i dada sy neny e
Ravaka: Faly mahafantatra an'i Mahery, Ravaka no anarako dia izy no Finaritra namako sady naman'i Rova koa
Mahery: Faly mahafantatra anareo roa vavy e, Ary i Finaritra tsy dia be teniteny a
Ravaka: Ie, izy io aloha dia tsy dia be teniteny mihintsy na miaraka ary izahay telo,
Mahery: Izany ve, izany hono ry finaritra?
Finaritra: Ie,( ny mahita ny tavan'ity ary efa marikoriko ahy, raha izaho manokana aloha dia tsy niresaka tamin'io teo e,marina e)
Finaritra: Andao handeha akia ry Ravaka a
Ravaka: Andeha aloha izahay fa veloma i Mahery e
Mahery: Ieny ary e, veloma ary ianareo roa vavy e
Mahery: (Fa hatsaran-tarehan'izay tovovavy izany marina, tena mendrika ho ravaky ny tokan-trano ianao ry Ravaka a, mba tiako sy iriako raha mba ianao no lasa vadiko,ary dia hajaiko fatratra ianao,izany aho raha tsy lasam-borona mihintsy teo nandinika azy, Ravaka, Ravaka tiako ianao)

Rova: Mahatsiaro sambatra loatra aho manana anao ry Njaka a,tsy hitako izay maha ory ahy, na fitiavana, na tambitamby, na teny mamy,ny oroka moa tsy lazaina intsony
Njaka: izany ve, tsy ianao irery fa izaho koa anie akia mba tena sambatra ery manana anao sy mitoetra anilanao toy ireny vorona misidina eny an'habakabaka ireny mihintsy anie akia izaho e, oatrany hoe tsy ety an-tany e
Rova: Ianao koa dia mba mahita tenenina ka,aiza koa izao ianao izay misidina eo, mitapyyy
Rova: Njaka a, andao amin'izay lesy hody fa efa amin'ny 5ora Ariva anie izao, sady bedy aty koa izaho raha mody ariva be aty
Njaka: Aleo lesy rehefa kelikely a, mbola hianoka ny hatsaran'ny voary sy ny natiora aty aloha isika, hitan-dry irony vonin-kazo mamony mavokely, menamena, mangamganga, volom-paiso, violety irony, ao fa angalako iray indry e, ny siotsiokam-boronkely ao an-tendron-kazo mahafinaritra ery ny filantony, ny bikany havoana sy tendrombohitra manginy fotsiny tena kanto e, tena kanto i Madagasikara rahavako ô, iny masoandro andrefana iny jereo fa mitara-bolamena mamiratra manjompiky mahafinaritra raha jerena, tiako loatra ianao ry Rova a
Rova: Izaho koa ry Njaka a, tiako loatra ianao ka tsy hahafoy anao intsony aho, eny mandrakizay mihintsy e, ary andao amin'izay hody ka
Njaka: Tsarovy akia Rova fa tiako ianao a,ary ireo natiora manodidina an-tsika no vavolom-belon'ny fitiavan-tsika a
Rova: Ieny rahavako, ary andao moa
Njaka: Farany akia, Isika mantsy mandeha fiara dia vetivety dia ho tonga, aleo akia mba haka sary kely eto isika a
Rova: Njaka a, horoy farany aho,dia andao moa e
Njaka: ieny akia malala a, muah,mamyy akia ndry ka
Rova: Ndry koa ary mamy be oatrany tantely koa, laingako izany e
Njaka: Indry a,indry toy ny fary izany
Rova: ontso koa,matiko indry
Njaka: aok'izay ary e

Ravaka:( iny ilay tovolahy hitako tamin'iny, ay ve ka zokin'i Rova iny e, Mahery hono no anarany, izy aloha dia tovolahy tsotra be, raha ny fijeriko azy avy ety ivelany aloha, toa mahafinaritra ahy izany izy, Fa izy aloha dia sarokenatra e, jereo koa ilay niresaka tamiko sy Finaritra iny izao dia mena tahaka ny voatabia ny tarehiny ary toran-tsemboka mihintsy aza koa, sa nanenjika anay izy raha vao nahatazana, mety ho izay angamba) eto koa aho dia lasalasa vinany eto

Njaka: Tonga isika ry Rova a
Rova: Aleo lesy etsy aloha aloha etsy hajanona ny fiara a, eo, eo mihintsy. Dia hifandao indray izany izany isika, izaho anefa mbola te ho eo an-tratran'ialahy foana, eny tsy hiala eo mihintsy e.
Njaka: Ho avy akia izany, dia eto an-tratrako foana indry na aiza na aiza misy ahy, any mou ô
Rova: rahoviana koa izao izany, amin'ny 200taona ve? Ela loatra ka,
Njaka: an an an ka, rehefa vita ny fianaran-dry ka, amin'izay indry tsy bedy intsony koa, dia afaka matory any amiko amin'izay,eo an-tratrako foana ho fihininko mafy satria tiako
Rova: Tandremo ary an, hiezaka mafy aho mba ho tafita dia hitoetra eo anilan'ialahy foana amin'izay,izay an
Njaka: ieny akia malala a, ary avy aloha fihiniko farany e,
Rova: veloma akia malala a, je t'aime,bisous.muah
Njaka:muah

Mbola hitohy...
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1179 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157