Efa ahy ianao tohiny1... (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa ahy ianao tohiny1...

Mahery: Rova? Fa taiza indry?
Rova: Nianatra aho koa,taiza indray ary
Mahery: Nianatra koa ny hariva sa nampiaraka e?
Rova: Nampiaraka ahoana koa ary? Nianatra niaraka tamin'ny namako aho e
Mahery: Namana iza izany? Lehilahy?
Rova: vehivavy ka, lehilahy ahoana e
Mahery: Ny naman-dry anie vao tamin'ny atoandro no nihaona tamiko e, izy roa vavy manja kely ireny
Rova: koa namako hafa izany koa, angaha ireny ihany no namako koa e,ary ao ialahy hidirako fa reraka be ao izany
Mahery: Fa angaha manderaka ny fianarana e? Sa reraky mitaingina fiara?hihihi
Rova: An an ka, leo be aho ka
Mahery: ( mmmhm, tezitra ity fa aleo tsy anihanina intsony, saody tsy mety hanaovana sera eo manko ka ho loza,) Laingako izany e,ary andeha aloha e
Rova: (ndana mihintsy mandeha fa be fanontaniana sy adikadina fotsiny)

Njaka: Indry indray aloha ry Rova dia lalaoviko e, Ataoko kilalao fotsiny ianao dia ho ariako e,iza koa no hiraikitra amin'indry eo foana, rehefa azoko ny mamy amin'indry dia hifirako, ahaaaa, oatrany tsara kosa anie izany sipa hitako izany e, toy ireny zana-javatra ireny ity izy marina, Lava volo, ngeza sady lava; tena sady taviny no volony, toa mandeha irery nefa andro efa maizimaizina,
Njaka: Salut ndry
Ravaka: Salut
Njaka: ( ho ay izany hatsarany ity tovovavy ity, sao dia mandro roa ary ny masoko marina, sa manofy aho), fa manino aty amin'ity andro maizimaizina sy mangatsika ity akia indry, sady tsy matahotra mihintsy nefa ny tany efa tsy milamina
Ravaka: ( Olon-dratsy koa ary ity tovolahy ity, an an, nefa anie toa mba olona manam-panahy ihany ny fijeriko azy e)
Njaka: Fa maninona indry no tsy mamaly? Sa matahotra? Tsy olon-dratsy aho e
Ravaka: An an ka, avy tany amin'ny namako aho io dia izao taraiky taty izao nefa mbola alavitra be no misy anay,
Njaka: ( toa mampalahelo ahy ity tovovavy ity ka, aleo rangaha ateriko izy ah: tsy maninona aho na alina be aza vao tonga any an-trano), izany ve, dia tsy matahotra ve indry mandeha irery amin'ity lalana ity?
Ravaka: an an, matahotra ihany dia izay mahatonga anahy mandeha mafy io,
Njaka: Ay ve e, Njaka aloha no anarako e,dia mipetra eny itaosy aho?
Ravaka: Ay, Dia andeha hody any itaosy ve ianao io? Ravaka no anarako
Njaka: ie, Faly mahafatantra an'i Ravaka, dia aiza Ravaka no mipetraka fa ho ateriko amin'ny fiara,
Ravaka: izaho koa, eny ambatomaro,aaa,aok'izao fa tsy maninona ka,aza misahirana ianao
Njaka: Tsy mety izany, tsy avelako andeha tongotra izany indry e,tovovavy toy izao ve,sady sao dia vonoin'ny mpanendaka any
Ravaka: aoka ho aho izao, eny ianao ary mbola eny itaosy nefa ity ambotaka enjana, aok'izao fa misaotra e
Njaka: Ravaka a, miakara akia, tsy misahirana izany ho aho aho, sady mbola ampy ahy tsara ny lasatsy ato, ao miakara e
Ravaka: misaotra betsaka
Njaka: tovovavy toa anao izao dia avela andeha irery, an an tsy mety izany, Hono ho aho ravaka mbola mianatra angaha ianao? Dia aiza no mianatra?
Ravaka: ie,mianatra eny ankatso aho,fa ahoana?
Njaka: Tsy ahoana ka, mba fanontanina fotsiny e, sa i Ravaka tsy azo anontaniana?
Ravaka: ay ve e, azo ka, raha tsy azo anontaniana ve aho dia ho fantatrao e, ianao koa
Njaka: mahafinaritra ahy ny miresaka aminao,tsy miavona mahay mihanihany
Ravaka: Izanyii,mihodina kely à gauche no lalàna
Njaka: fa aiza ho aiza ety ianao no mipetraka ry Ravaka?
Ravaka: eo ajanona fa tsy tiako raha hitan'ny dada sy neny hoe nisy nanatitra aho
Njaka: dia tonga sahady ve rangaha nefa izaho mbola te hiresaka be aminao foana
Ravaka: aleo amin'ny manaraka e, misaotra betsaka
Njaka: Ravaka a, afaka homen-dry num an'indry ve izaho?
Ravaka: ity ary e... Izay dia veloma, dia mamerina fisaorana ihany e
Njaka: ok ar e, veloma i Ravaka
( Ravaka toa lasa tia azy aho,nefa dia ahoana i Rova? Ity ary mbola tsy manaiky mbola tsy fantatra akory koa, izao aho izao,aleo manainga fa efa miandry ahy izao ny fandriana sady reraka aho izany a

Mahery: Any mantsy ianao izay ry Ravaka, tsy aiko fa ny foko sy ny saiko dia any aminao foana, rahoviana ary vao mba hahita anao indray e, fa ho takariko iny volana eny an-danitra sy irony kintana mamiratra irony ho anao, eee, Ravaka tia anao aho saingy tsy tsapanao izany, fa mbola ho tsapanao indray andro any
Rova: Fa maninona eto an-davarangana eto ialahy? Sa manimanina olon-tiana?
Mahery: indry koa manaitra ka, tsy henoko mihintsy ny fitsaitsaikan-dry nanantona ahy teo, ndana indry matory fa angaha tsy reraka indray e
Rova: ie,lasa fa avelako eo ialahy e
Mahery: Andeha hatory koa aho ka,oatran marary izany lohako izany,marina tsy manakotsako be sady mamay be,aleo hatory mihitsy ka

Njaka: izay ve rangaha vao tonga, enjana koa iny ambotaka iny ka,aiza ve rangahy amin'ny 7h sasany aho eo amin'ny garage amin'ny 9h vao tonga aty an-trano, aleo tonga hatory ka oatrany efa voky manko aho izany, vokin'i Ravaka,oatrany reveko iny sipa iny, marina lasan'ny avokoa ny fitiavako manontolo,ary aleo hatory aloha ka dia enganie hanofy mamy an'i Ravaka, Ravaka tiako, tiako ianao

Mbola hitohy...
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1499 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157