Embon'olon-tiana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Embon'olon-tiana

Tsaroako ery isika roa
Teny amorom-parihy
Niaraka sy niriaria
Malaina ny hifandao
Nifanjohy teny ho eny
Nifamboraka ilay teny
Nifanolotra fitiavana
Nokoloina ho mavana
Indreny isika niaraka
Toa nofy izay hisaraka
Niroborobo fatratra
Nanjakan'ilay fitia
Ny tontolo zary lafatra
Ka nivoady ny doria

Eto aho no mahatsiaro
Irery an-toera-mangina
Manembona anao ry tiana
Any tokoa mantsy ianao
Tsy hitako ho fihinina
Tsy hitako ho banjinina
Fa lavitra tsy tazana
Tsy eto an-tanindrazana
Fa any am-pita any
Koa iny fara-vodilanitra
Manjelatra mahafinaritra
No sisa mba hitazanako
Any ianao ry malalako
Ranomasina mangeniheny
Tsy hita fiafarany
No nalefako mankany
Hitondra ity ventso
Arahin-tsentosento

Ny onja sy tora-pasika
Indreny midadadasika
Mananika ny havoana
Maniry te hiaona
Aminao ry tanety
Fa handalo vetivety
Any izay ilay malalako
Niriako mba ho anjarako
Nandrian'ity foko ity
Nanantena ho doria
Izay sasatra ny manantena
Miantso mafy hoe miverena
Efa kiaka tanteraka
Efa kasoka ny feo
Efa osa sady reraka
Mianjady ny toreo
Any ianao ry tiako
Tsapanao ve ny fijaliako?
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1523 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159