Eny sa tsia? (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny sa tsia?

Efa tsy andriko akia
Na ho eny na ho tsia?
Tsy maninona fa lazao
Izay ho valin-teninao
Izaho anefa tsy manery
Tsy sanatria ianao voatery
Fa anao re no misafidy
Izaho koa tsy handidy
Fa fotsiny iangaviko
Dia ianao anie tena tiako
Ataoko fa tsapanao izany
Aza avela aho hitomany
Fa ny masoko mipitrapitra
Mibanjina anao irery
Ny fitiavako tsy ho ritra
Raha toa ianao hoe eny

Aza menatra ianao akory
Fa borao izay ao am-po
Raha tia ahy ianao fatory
Raha tsy tia atao ahoana moa
Ka miangavy aho valio
Raha tsy mampaninona
Fa tsaroy sy tadidio
Tsy midika hoe inona
Fa ny foko tia anao
No hitiavako anao
Izaho tsy hoe hisalasala
Satria ny fo tia adala
Ka asakasakao ihany
Raha ho lavinao izany

Na ho eny na ho tsia
Tsy hampaninona ahy satria
Efa sambatra aho voavaly
Fa tsy tiako ianao hijaly
Ka lazao ahy moa e
Ataovy vokatrin'ny fo e
Na ho eny na ho tsia
Izay ho valin-tenin-dry
Aza misalasala milaza
Fa lazao am-bava
Aza mihambahamba
Fa ny foko anie efa jamba e
Efa tafalatsaka aminao
Ka raha toa ka sitrakao
Mba valio raha azo atao
Ny fitiavako ho anao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1338 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114