You are here: home > Vetso

Fahiny fahazaza - Nalison Randrianaivo

Fahiny fahazaza

Fahiny fahazaza
tany ambanivohitra tany
nilalao, nikotaba
fangalam-pery tamin'izany

raha vao iny diavolana
sy fenomanana iny
dia niara-nikorana
ny ankizin'ny fahiny

sangisangy sy kilalao
nay zazalahy kely
izahay tsy ho lao
rehefa fangalam-pery

tamin'izany tokoa mantsy
dia nifampitaona izahay
na tsara tarehy na ratsy
dia tia anay ho namanay

fahiny fahazaza marina
tsy hadinonay ankehitriny
f'izahay mora hanarina
tamin'ny fahazaza fahiny

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha