You are here: home > Vetso

Fakam-panahy - Nalison Randrianaivo

Fakam-panahy

Fakam-panahy
Manintona tsy nahy
Manova ny fanahy
Vetivety monja
Mamaha ireo fonja
Ny fitiavana marina
Avy dia angalarina

Fakam-panahy
Matetika ka sahy
Mandrombaka ny hafa
Mamono mamafa
Irony fitiavana
Nokoloina ho mavana
Fa hery hafahafa
Mamadika ny rasa
Ka raha tojo izany
Angamba...
Ho rava avy hatrany

Fakam-panahy
Izay miserana mandalo
Tsy mba manahy
Tsy mba mimalo
Fa entiny haingana
Ireo izay tratrany
Izay mahita faisana
Hatramin'ny fakany

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha