Famoizam-po (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Famoizam-po

Fa nahoana re ry tany
No nasetrinao tomany
Ilay tsikim-pifaliako
Teo anilan'ilay tiako
Nanjary fahoriana
Toa tsy misy fetra
Ireo androm-pifaliana
Sy ny androko rehetra

Fa nahoana re ry rahona
No nasetrinao vahona
Ilay masoandro mamy
Nanazava ity tany
Notakonanao koa
Irony volana baliaka
Izay mendrika sy soa
Mamitra manjompika
Tsy tazana intsony
Ireo kintan'ny fitiako
Teny tery ambony
Mba nahatsapa ny fisiako

Fa nahoana re ry ala
No tsy ahenoana feo
Ireo vorona malala
Niaraka amiko nitoreo
Fa lavo ilay tiana
Ilay mamy sy finidy
Miara-miorim-pahoriana
Manefa ny adidy

Nisaona ny tontolo
Nanjombona ny tany
Tsy handresena feo
Vonto tomany
Mianjady ny toreo
Misompatra ianao ry tany
Mihetraketra ianao ry fiainana
No ranomaso sesilany
No sisa navelanao hiainana

Hiainana ity fo
Izay tsy hitia intsony
Izay efa tokam-po
Tamin'ilay efa any ambony
Ka ho famoizam-po
Tsy ho velona intsony
--------
Rohy:
1224 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157