You are here: home > Vetso

Fanaovam-beloma farany ny taona 2017 - Nalison Randrianaivo

Fanaovam-beloma farany ny taona 2017

veloma ihany no atao
hanadinoana anay anao
ry taona anan-kiray
tsy ho hita intsony mandrakizay

ianao no namela takaitra
izay mafy sy mafaitra
ka mandehana ianao any
ataovy veloma ny tany

tsy any ambanin-drangolahy akory
fa ho faty sy hivalona fotsiny
ianao ry taona nampahory
ka tsy hiteny tsy ho rehin'ny sofina

koa veloma fa tsy ihaona intsony
fa mampamangy any
navalon'ilay Ray ao ambony
tsy ho anao intsony ny tany

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha