Faniriana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Faniriana

Topi-maso iray monja
No nampitselatra ny foko
Toa nanonja dia nanonja
Raha vao iny ianao nisoko

Toa hafahafa ny hetsim-po
Nanjohy anao hatrany
Tojo ilay tiana tokoa
Ilay tokany eto an-tany

Nitsiry tamin'izay
Ilay faniriana an-kiray
Mba ianao eto anilako
Eny tiako sy ho silako

Mba naniry anao ho tia
Ho tia ahy tsy handĂ 
Eny ho doria doria
Raha ianao no manaiky ahy

Ny alina aho matory
Mamy nofy ery
Tsy rehiko akory
Ny hirifiry mamanala
Ny hakanton'ny fitia
Fitia ho anao ry malala

Tiako mba ho tanteraka
Ireo nofiko mamy
Tiako tiako hitoerako
Eo anilanao izany

Nanjohy anao ny fitiavako
Maniry anao rahavako
Raha mba mifanojo
Ny eritrerin-tsika
Izaho mba ho tojo
Anao tena sariaka

Raha ho eny mba tanteraka
Izay tiako sy hiriako
Izaho tsy mba ho reraka
Mitrotro anao ry tiako

Mba mamiko ery izany
Raha ianao no tia ahy
Izay faniriana ihany
Ka asa lahy, Ho tia ahy?
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1492 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158