Faran'ny taona (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Faran'ny taona

amin'izao faran'ny taona
ny dom-bera no be dia be
nefa tandremo tsara mba tsy hivaona
mba tsy ho tafahoatra re

fa mety hitondra anao ho any
amin'ny lalan'ny fahaverezana
eo ianao vao hitomany
rehefa tsy ampy fiheverana

amin'izao faran'ny taona izao
maro be ireo olon-dratsy
koa mitandrema foana ianao
sao hidiran'andro eo mantsy

amin'izao farany volana
izay mamarana ity taona ity
milamina mba tsy hisian'ny olana
fa mahaiza mifankatia
--------
Rohy:
1050 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011