You are here: home > Vetso

Fidio i Marc Ravalomanana - Nalison Randrianaivo

Fidio i Marc Ravalomanana

Manan-tsaina ianao ry Dada
Manam-pahendrena ihany koa
Manam-panahy sy fitiavana
Ka mila anao ny tanindrazana

Mila anao mba hikarakara
Mila anao hampandroso indray
Mila anao i Madagasikara
Mila anao tokoa izahay

Fa nanjakany ny tsy rariny
Nanjakany ny fitiavan-tena
Ny volam-bahoaka nangalariny
Ary ny vidiny ireo andramena

Misahia mijoroa ary mahereza
Fandrosoana maharitra, mateza
No iainan-tsika manomboka izao
Rehefa i Dada no safidinao

Safidiko, safidinao, safiditsika
Ny hanana filoha manam-panahy
Fa izy irery ihany no mahavita
Mitsinjo anao sy mitsinjo ahy

Aza hadino ary fa ndehana mifidy
Ny laharana faha dimy amby roapolo
Aza malaina fa hefao ny adidy
Isika rehetra dia i Dada daholo

Aza manaiky terena na tambazana
Fa antoky ny ho avy aoriana
I Dada ihany no tia tanindrazana
Koa i Dada ihany re fidiana

Koa ndeha re isika hifanome tanana
Hifidy ny filoha Marc Ravalomanana
Tsy poakaty ny toky izay nomeny
Fa ho tanterahany matoa nekeny

Izy dia matahotra an'Andriamanitra
Ary malagasy toy ahy sy ianao
Koa mitsangana ry ambany lanitra
Fidio i Dada ho filohanao

Hametraka hevitra

Midira aloha