Fisarahana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fisarahana

Izaho akory tsy hilefitra foana
Sahalan'ny vero tengenam-pody
Ka tonga ity ilay fotoana
Tsy maintsy handehanako mody
Ka alohan'ny handehanako
Dia izao no tsarovy tsara
Fa nofy ilay ianao ho tantanako
Ho eny ambon'ny alitara
Izaho koa toy ny varavarana
Atositosika rehefa tsy tiana
Ka aleo aho hangata-dalàna
Fa mahatsiaro fangirifiriana

Fa nataonao fitia toy ny fary
Nakana ny mamy hatrany
Tsy foto-tsakafo toy ny vary
Fa mandalo dia miserana ihany
Toy ny vanin-taona mifanesisesy
Mifandimbidimby foana foana
Miala eroa dia miditra etsy
Tsy ho tapitra tsy mety ho foana

Ka hoy aho hoe ho dia-tongotra
Eo ianao fa lasa aho
Eny, ho zary fitia tendro-molotra
Ilay fitia, koa veloma ianao
Ireny mamy niarahan-tsika
Ho zary hangidy hafaitra
Ny hafanana, ho zary hatsiaka
Ny fitiavana zary ratra, takaitra

Ataoko fitia fanondro
Koa miala tsiny, miala fondro
Fa tsy maitsy voatery aho handao
Izay ka veloma ianao
Eny, tena mandrakizay
Ka aoka tsy ho tsiny lahy
Veloma ianao ka màsina
Tsy tianao aho ka hangina
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - Fitiavana
4233 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123