Fitia lalim-paka (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitia lalim-paka

Iny aho nikalokalo, Teo ambaravaran-kely
No nahita anao nandalo, Niserana nisoko
Ka nampitselatra ny foko, Ireo masonao nijery
Nitopy tany amiko, Ka tiako sady mamiko
Koa no mpiako maso, Tamin'ny maso an-kavia
Ka nataoko hoe: Mba andraso, Azafady kely akia

Toa tsy sahy aho nefa, Ka niafina tao ambadika
Ka iny ianao nilefa, No sady mba nangarika
Nefa ny am-ponao, Taralila ventsoventso
Nalahelo indray ianao, No sady nisentosento
Tsy tazanao akory, Izaho nanarangarana
Nanaramaso anao, Teo ambaravarana
Koa indro ianao fa dila, Tsy tazako intsony
Nanjary nangingina, Izaho ka saika resin-tory

No niverina ary ianao, Izaho mbola teo foana
Efa sasatra nijerijery, Izay handalovanao
Tsy nanampo velively, Hoe mbola hiaona
Sy hahita indray anao, Ka indro tokoa
Tazako any ho any, Ilay tokan'ny fo
Tsy roa aman-tany, Nidobodoboka mafy
Ity foko nahita anao, Izay vao tena lalim-paka
Amin'izao fotoana izao, Koa mila ho vaky
Mihitsy ito tratra, Sy ny ao anatiko ao

Teo aho vao tena sahy, Hiresaka hitafa
Tsy amin'ahiahy, Ny hamboraka aminao
Ny fitia lalim-paka, Ao am-poko ao
Koa tafaray izao, Ny samy tena tia
Satria tiako ianao
Izaho koa tian'indry, Ka tena mahazo laka, Ny fitia fa lalim-paka
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1467 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0189