Fitia sombintsombiny (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitia sombitsombiny

Aza tsiny indrindra
Satria efa fantatrao
Tsy miafina aminao
Izao fiainako izao

Saingy...
Angamba fakam-panahy
Fa voasintonao tsy nahy
Ilay foko ka babonao
Ka nilaza tsotr'izao
Hoe " tiako ianao "

Kanefa...
Hitanao tsara angamba
Haiko ianao fa tsy jamba
Fa mahita anay tsara
Eny rehetra rehetra eny
Mifanoroka amin'ny molotra
Mifampitantana ombieny

Ka androany holazaiko
Fa iny ilay nolalaiko
Iny ilay tiako sy malalako
Izay hinoako koa fa anjarako

Tiako ianao kanefa
Tena tiako loatra izy
Eny, Tiako lavitra noho ianao
Angamba...
Ianao no diso fiantefa
Ka aza mora kivy
Fa ho avy ny anjaranao

Satria dia ho faranako
Ho tsoriko eto izao
Ho borahiko aminao
Fa fitia sombitsombiny
No natolotro ho anao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
889 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0127