You are here: home > Vetso

Fitia tsy tanteraka - Nalison Randrianaivo

Fitia tsy tanteraka

Nahoana loatra re?
Nahoana re rahavako
Dia vitanao ve?
Ny nampirafy ny fitiavako

Izay siny tokam-po
Tsy mahalala afatsy ianao
Ka nararaotinao tokoa
Natao kilalao

Tsy nampoiziko ho ianao
No handratra izany fitiavako
Hay tena sahinao
Ny nanitsaka ahy rahavako

Ka etsy ary fa tanteraka
Ireo kinasanao
Ka aleo aho hipetraka
Hanaja ny tenako aho

Ka etsy mandehana
Mahalelova, mahalasana
Fa fitia toa mandreraka
Ny ahy sy ny anao
Izay fitia tsy ho tanteraka
Fitia kilalao

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha