Fitia voarara (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitia voarara

Fony ny foko, Vao nianatra nandady
Dia tojo toloko, Voarara sahady
Tsy hitia olona, Tsy hitia izany
Ka mba nitolona, Nitia ihany

Niezaka foana, Mba tsy hisy hahita
Saingy izahay nihaona, Ilay iny niampita
No nisy nahatsikaritra, Avy aoriana
Izaho mba finaritra, ery Teo anilan'ny tiana

Nanomboka teo, Dia folo ny maso
Nitsikilo ahy ry zareo, No nanara-maso
No sady nandrara, Ny hoe ajanony
Fa hoe tsy anjara, Tsy anjara akory
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1715 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121