Fitiavana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitiavana

Asa loatra na nahoana?
Fa ny ahita anao foana
No masaka ao an-tsaiko
Ilay ianao vao hitako
Asa re fa tena tsy aiko
Fa misisika ny hahalala
Hamantatra anao
Ity foko kely adala
Moa va mba tsapanao?
Indraindray aho miteny
Ny anaranao no voa antso
Voateniko milanto
Ny alina aho matory
Manofinofy ankaikinao
Mamboraka sy mitory
Ilay fitiavako aminao

Asa loatra na nahoana?
Fa dia satriko foana
Ny hanofinofy anao
Mitoetra eo anilako
Mandritra ny alina rehetra
Dia tiako ianao hitoetra
Ka lasa faniriako iray
Ny ahita anao indray
Tsy intsony fanahy
Fa ho tena nofo sy rĂ 
Ka zary tsy tiako intsony
Ny nofy iainako isak'alina
Tiako ho azo re ny fony
Ho baboako ny marina

Asa loatra na nahoana?
Fa ireny isika tafahoana
Tsy tahotra aho tsy henatra
Ka mividy peratra
No sady mitory fitiavana
Milaza fa hoe tia
Ka mivoady ny doria
Angamba tsy hainao fantarina
Na ho tena marina
Nefa efa voaporofo
Fa fitiavana tsy miofo
No natolotro tsotr'izao
Ho fitiavako anao
Fa efa ela no naniriako
Efa ela ianao no tiako
Koa indro ary izaho izao
Tafahoana aminao
Ary indro fa voalazako
Voaloakin'ny vavako
Ilay teny iray monja
Satria nanonja dia nanonja
Mamaivay ny ao am-poko
Tiako ianao ka ho hadisoko ve?
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
11529 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156