Fitiavana mandrakizay (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitiavana mandrakizay

Eto anatrehanao ry Ray, No hiombonanay roa
Ny voady mandrakizay, Eto ambonin'ny alitara
No hamasinina tokoa, Ka hifanambara tsara
Koa hitambatra ho iray, Fitiavana mandrakizay

Hitia sy hanaja anao aho, Mandrampiala ny aiko
Hipetraka ho anao irery ihany, Mandrampialako eto an-tany
Fa tiako ianao ko tolorako ny aiko, Sy nofinidiko tsy roa aman-tany

Ho zakaiko avokoa, Ny mangidy rehetra
Izay ho lalovan-tsika roa, Koa tsy hiala fa hitoetra
Na inon-kidona na inon-kiatra, Tsy maintsy hijoro tsy maintsy mitraka
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2105 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117